NY FINOANA KRISTIANA ANDRESENA NY ASAN`ILAY RATSY 1

Transkript

NY FINOANA KRISTIANA ANDRESENA NY ASAN`ILAY RATSY 1
NY FINOANA KRISTIANA ANDRESENA NY ASAN’ILAY RATSY
1. IZA ILAY RATSY ?
 « Ilay ratsy » Ao amin’ny Testameta Taloha
Satana
Satana (hebreo : ‫ שָׂ טָׂ ן‬śāṭan ; Grika : Σατανᾶς « Satanás » ; arameana : ‫ܣ ܛ ܢܐ‬
sāṭānā’ ; arabo : ‫ ﺷﻴﻄﺎﻥ‬Šayṭān) izay midika hoe « adversaire » raha ny fototeny no
jerena. Nefa azo raisina ihany koa hoe : « mpamadika » (Trahir) ; mpamingana na
mpiampanga
(Zak.3,1),
mpanafitohana,
mpanakorontana,
mpandrava,
mpandringana (Joba 1 sy 2, indrindra Joba 2,7), mpanakanana mpisakana (2
Sam.22,6 ; Sal.18,4-5). Ho an’i Davida sy Solomona, ny Satana dia tsy iza fa ny
fahavalony sy ny fahavalon’Isiraely toy ny Filistina ohatra (1 Sam.29,4 ; 1 Mpa.5,18).
Mpanohitra ny mpanompon’i Jehovah izy (2 Sam.19,23 ; Sal.109,6). Mpampididoza, Mpanolotsain-dratsy (1 Tant.21,1-7) ; mpanjakan’i Babylona na koa ilay anjely
nikomy tamin’Andriamanitra ka nalatsaka avy any an-danitra (Isa.14,4-17).
Ny andriamani-kafa
Ny Andriamanitry ny Isiraely dia nandrara ny fanompoana andriamani-kafa
(Eks.20,3 ; Deo.5,7 ; Deo.6,14). Ireto misy andinin-tSoratra Masina vitsivitsy milaza
momba ny andriamani-kafa notopoin’ny Isiraely :
Andriamani-kafa mambabo sy mitaona ny Isiraely hiankohoka sy hanompo azy
(Deo.7,4 ; Deo.11,16 ; Deo.30,17 ; 1 Mpa.14,9 ; Mpits.10,13 ; Jer.11,10).
Mahatezitra an’Andriamanitra ny fanompoana andriamani-kafa (Jos.24,2…sy 14 ; 2
Mpa.22,17). Ireto misy karazan’andriamani-kafa : Ny sarin-javatra voasikotra
(Eks.32 ; 1Mpa.12,28-31) nefa zava-poana (Jer.2,5 )= Beliala nefa koa andriamanitry
ny « homosexuelle »1. Beliala ilay andriamanitra nivavahana tao Sodoma sy
Gomora. Beliala dia andriamanitra mpanjakan’ny lavaka tsy hitanoanoa na ny
« enfer » (« Gehen » hoy ny teny hebreo) na ny farihy mirehitrafo. Ny « terafima »
(Gen.31,19-35 ;1 Sam.19,13-16). Ny bala : ny Dikan’ny teny hoe « Baal » dia tompo
« seigneur » hilazana ny sampy notopoin’ny Kananita. Ny Baala na Astarta
(Mpits.6,25-32 ; Jer.19,5), fa teo koa ny andriamanibavy ny Babloniana « ishtar »
izay mitovy amin’ilay andriamanibavy nantsoin’ny Grika hoe : « Afrodita »
1
Dictionnaire infernal de Collin de Plancy « Bélial est considéré comme le démon de
l'homosexualité, incitant les hommes à pratiquer la sodomie avec d'autres hommes.
(Aphrodite) izay andriamanitry ny fitiavana sy ny fananahana. Santionany ihany ireo
saingy ireo no malaza indrindra.
 « Ilay ratsy » Ao amin’ny Testamenta Vaovao
Ny ratsy dia mitondra ho any amin’ny fahasimbana sy ny faharavana ary indrindra
ny fahafatesana na fahaverezana (Fil.3,19)

Ny Devoly « Diabolos » :
Mpampisaraka ; mpiapanga (Mat.4,1 ; Lio.4 ; Apo.12,10) na
mpanendrikendrika ; rain’ny lainga (Jao.8,44) ; mpamadika « Jodasy » (Jao.6,70)
Toy izao no dikany amin’ny teny fototra : latina : « diabolus »,
Grika : « διάβολος » diábolos, avy amin’ny matoateny hoe : διαβάλλω « diabállô »,
izay midika hoe mpampisaraka « celui qui divise » ou « qui désunit ; qui détruit
l’unité » mpandrava ny fiombonana.
Ny devoly dia mpaka fanahy (Mat.4 ;Lio.4) ; mpanome sain-dratsy
(Jao.13,2) sy mpanangoly (Efe.6,11) ; mpamandrika (2 Tim.2,26) ; mpandavo na
mpamingana (1 Tim.3,7. Ny devoly na ilay menarana ela (Gen.3 ; Apo.20,2)

Ny fanompoan-tsampy ,« Mpanjakan’ny fahamaizinana »
(Efe.6,12)

Ny antikristy (1 Jao.2,12-22 ; 1 Jao.4,3 ; 2 Jao 7)

Ny filàna sy ny ny fankahalàna (Oha.10,12 ampit. Tit.3,3)

Ny vola (1 Tim.6,10)

Ny fahotana (Rom.6,6-21)

Ny fihatsaram-belatsihy (Gal.2,13 ; 1 Tim.4,2)
2. NY ENDRIKA ISEHOAN’ILAY RATSY
 Ny endrika isehoany ambaran’ny Baiboly
Ilay ratsy dia mikendry mandrakariva ny hanohitra an’Andriamanitra, handrobaka
sy hisandoka ny fahefan’Andriamanitra, hikomy amin’Andriamanitra, hiapanga ny
olom-boafidin’Andriamanitra (Apo.12,10). Ilay ratsy dia mitaona ny olona hanohitra
ny sitrapon’Andriamanitra, ny lalàny, ary manao izay tsy hahatanteraka ny
fikasan’Andriamanitra.
 Ny endrika isehoany ankehitriny
Ny satanisma
I Lucufer no andriamanitra ivavahana. Lucifer avy amin’ny teny latina roa
natambatra : Lux (Mazava, mamiratra, manjelatra, mihaja) sy ny hoe « ferre » izay
midika hoe : mitondra. I Lucifer dia heverin’ny mpanaraka azy hoe « ilay mitondra
fahazavana na ilay mazava. Kanefa dia nahitsin’i Jaona izany fa tao ny tena Mazava
dia Jesoa Kristy (Jao.1,9-13). I Anton Lavey no nanorina azy ary manana ny Baiboliny
izy dia ny Bible Satanique izay mampianatra ny olona ny fomba fakana tsirony
amin’ny filàna ara-nofo, ny fidorohana zava-mahadomelina, sy ny zava-pisotro
mahamamo. Ao anatin’ireny ny homosexuelle sy ny heterosexuelle…
Ny ésoterisme-exotérisme
Ny “ésotérisme” dia avy amin’ny teny grika hoe: esoterikos “ζσωτεριkoς” izay
midika hoe: ao anaty na miafina ao anaty na koa ao anatin’ny maizina.Ao anatin’ny
fianakaviamben’ny occultisme sy ny spiritisme ihany koa ny ésotérisme. Ny
ésotérisme dia azo adika hoe fahalalana momba ny zava-miafina “mystères” na ny
tsiambaratelon’ny hery miafina “occulte”. Ny ésotérisme dia fahalalana lalina
momba ny mistery izay miafina ao anatin’ny zavaboary. « Vertu » Ny ésotérisme dia
fotopampianarana ataon’ny vondron’olona vitsy liana amin’izany eo ambany
fitarian’ny raiampanahy “Maitre spirituel”. Ao anatin’ity ésotérisme ity avokoa ny
fianarana momba ny : “Yoga, hypnotisme, ny alchimie izay midika ho
fampifangaroana zavamaniry samihafa sy ravin-kazo hanaovana fitsaboana, ny
mystères du pouvoir caché, astrologie, divination, magie, hermétisme, ny science
de l’Univers et de l’homme: cosmologie, anthropologie, théosophie, anatomie,
médecine traditionnelle, Homéopathie t, ny TIENS, ny science de l’imagination, des
médiations, Reiki, kinésiologie Acupuncture, anthroposophie, les médecines
alternatives, la sophrologie, art et pratique divinatoire, ny « clairvoyance », ny
oracle… ».
Fa ny « exotérisme » koa dia fanovozana hery avy aty ivelany hanaovana
fahagagana. Tafiditra amin’ireny ny fangalana hery any amin’ny kalanoro, ny
zazavavin-drano, ny fitokana-monina atao any anaty fasana mba hanovozan-kery
ataon’ny manao Magie (Noir na Blanc). Ny fijerena tonom-bitana amin’ny karatra «
Tarot » izay antsoina hoe : « Cartomancie ». Ao anatin’ny fianakaviam-ben’ny «
exotérisme - ésotérisme » koa ny fankatovana sy ny fitokiana amin’ny isa hitondra
fanambinana sy vitana « numérologie ». Ao anatin’ny ésotérisme –exotérisme koa
« parapsychologie » izay manome lanja ny fanompoana sy ny fanindraindrana ny «
amparahatoka » na ny « subconscients ». Toy izany koa ny haiady rehetra « arts
martiaux » rehetra.
Ny razambe sy ny ntaolo malagasy dia tsy vahiny amin’ny ésotérisme fa saingy
nataony amin’ny fomba malagasy sy araka ny foto-pisainany izany. Ao anatin’ny «
ésotérisme » na ilay antsoina hoe « science ésotérique » ny raokandro, ny
fanandroana, ny sikidy, ny ody gasy, ny famosaviana, ny mpahita sy ny mpitaiza, ny
masim-bava, ny manana tromba « manao azy ho tsindrin-javatra ». Exoterisme koa
ny ataon’ny olona manana talenta manokana nolovana tamin’ny razana izay
ifandimbiasan’ny taranaka entina anasitranana (Rora,…)
Ny spiritisme – Animisme – Totemisme – Fetichisme : Ao anatin’ny spiritisme ny
firesahana amin’ny fanahin’ny maty sy ny famadihana. Ny fiheverana fa ao
anatin’ny zavatra iray no mitoetra sy misitrika andriamanitra na ny aina, hery
(Anima). Ny Feichisme dia ilay mivavaka sy manompo tapakazo,… Ny Totemisme
dia ireo mino fa tsy mety maty ny fanahy ka mifandimby miditra amin’ny vatana na
olona na biby (Tromba…)
Ireo fanahy mamitaka :
Ny fampianaran-diso sy ny antikristiny : Misy ny fampianaran-diso maro ankehitriny
mody milaza fa fiangonana kristiana ara-pilazantsara nefa tsy izy. (Ny Kaabal, ny
Sincretisme…
Ireo fikambanana miafina
Ny sekta miseho amin’ny endrika samihafa. Misy amin’izy ireny no Silamo…
Ny tambajotra manompo an’i Losifera :
Ny Framaçonerie – illuminati – Rose Croix
Ireo karazam-panompoana an’i Satana sy ny Sampy ireo dia tsy maintsy mila sorona
« sorona biby » na « olona » halatsa-drà. Manana ny fomba amam-panao, ny
fombafombam-pivavahana « hira, vavaka, fanatitra, fady… »
3. NY FINOANA KRISTIANA VAHAOLANA TOKANA HANDRESENA NY RATSY
 Ny loharanon’ny Finoana Kristiana
Ny loharano dia ny tenin’Andriamanitra izay fototry ny finoana (Roma.10,17).
Asan’ny Fanahy Masina no maniraka ny olona hitoriteny (Asa.2).
Finoana « Pistis » hoy ny teny Grika. Ny finoana dia fahatokiana (Heb.11,1), tsy
misaraka amin’ny faharesen-dahatra, ny fanantenana « Esperence ». I Paul Tillich,
mpitandrina Alemà, niaritra ny fanenjehan’ny Nazi dia namaritra fa ny finoana dia
« Courage d’être » handresena ny ahiahy sy ny tebiteby. Hery enti-mandresy ny
finoana.
 Ny fototra iorenan’ny Finoana Kristiana
Finoana an’Andriamanitra tokana nahary izao tontolo izao, Andriamanitra
tompon’ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany. Finoana ny Fanahy Masina.
Finoana an’i Jesoa Kristy, Andriamanitra tonga nofo hamonjy izao tontolo izao,
nitsangana tamin’ny maty, nandresy ny fahafatesana ary ho avy indray handray
antsika ho any aminy. Manomana antsika handray ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny
fiainana mandrakizay (Jereo Fanekem-pinoana : Apostolika, Nikeana, Biblika...).
Tsy misy mpamonjy afa-tsy i Jesoa Kristy (Lio.2,11 ; Jao.10,11). Tsy misy mpanafaka
afa-tsy Izy (Hos.13,4)
 Mankalazà sy manomeza voninahitra an’Andriamanitrao amin’ny
hira fiderana sy fankalazana. Jereo ny fankalazan’i Davida ny Andriamaniny (Ohatra
Sal.150)
 Izay tokony hatao hampitombo ny Finoana handresena ilay ratsy
Ampitomboy sy hamafiso ny fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny
vavaka (Lio.22,40 ; 1 Tes.5,17).
 Ataovy ho vaindohan-draharaha ny famakiana sy ny fiainana ny
Tenin’Andriamanitra (Oha.7,1 ; Jao.14,23 ; Apo.3,10) mba hitomboana amin’ny
finoana. Amafiso ny fianarana ny tenin’Andriamanitra.
 Ampitomboy ny asa fitoriana ny Filazantsara sy ny ady amin’ny
satana sy ny sampy. Iraka ampanaovin’ny Tompo antsika rahateo izany (Mat.28,1820 ; Mar.16,15-20)
 Tapaho izay fifandraisana mifandrohy amin’ny satana sy ny sampy
« reseau satanique, conspiration) fa hamafiso kosa ny fiombonana amin’ny mpino
eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina : « KOINONIA » (Asa.2,42-47). Zava-dehibe
ny fiombonan’aina sy ny fifampaherezana any am-piangonana, any amin’ny Toby.
Aza omena vahana ny asan’ny devoly « aza manome fitoerana ho an’ny devoly »
(Efe.4,27).
 Raiso ny fiadiana fito atolotr’Andriamanitra maimaim-poana ho
antsika entina handresena an’i satana : Fahamarinana, Rariny, ny
tenin’Andriamanitra, ny Filazantsaran’ny fihavanana, ny famonjena, ny finoana,
vavaka (Efe.6,10-20)
RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa, Mpitandrina
FINOANA : TENIN’ANDRIAMANITRA SY ASAN’NY FANAHY MASINA
Faharesen-dahatra
Fanekena
Fahatokiana
Fanantenana
Fanoloran-tena
Faharetana
Fiaretana
Fijoroana ho vavolombelona

Podobné dokumenty

Anao ma fa Nahita Lalagna Mengo amy Fiaignana Tsisy Farany?

Anao ma fa Nahita Lalagna Mengo amy Fiaignana Tsisy Farany? ragna Jehovah zegny. Jesosy, izy tompony, nivolagna karaha ty: “Baba bebe toizay zaho.” —Jaona 14:28. 10 Baiboly mampianatra fa, talohan’ny naviany tambony tany teto, Jesosy tan-dagnitry tagny. Izy...

Více

Řecko na kole - Odbor vysokohorské turistiky KČT TJ Spartak Přerov

Řecko na kole - Odbor vysokohorské turistiky KČT TJ Spartak Přerov příjezd cyklistů notně vzruší. Pod starým ořechem u zvonice se brzy scházejí starousedlíci a diskutují o tom, co se to vlastně v jejich vesničce děje. Rukama nohama jim vysvětlujeme odkud jsme, kam...

Více

Katalog regionálních reklamních výrobků

Katalog regionálních reklamních výrobků Lomnické suchary oříškové „„ 38,50 Kč

Více